Aim-panahy Bread of life Verset du jour
Miarahaba anao amin'ny anaran'Ilay tia antsika
Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako ? Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia ary aoka hihahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah. Salamo 27
Fandaharana anio
1 - Toriteny
2 - Hiaraka hivavaka isika
--------
1 - Toriteny
Aoka ho vakiantsika ny voasoratra ao amin'ny bokin'i Jeremia 17:5-10
5 Izao no lazain'i Jehovah: ho VOAOZONA izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony. 6 Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tany hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia ny amin'ny tany sira izay tsy onenana.7. Ho TAHINA izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokony . 8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy na dia miantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.
Tena zava-betaveta eo anatrehan'Andriamanitra ary voalaza fa mahatonga OZONA ny tsy fanomezan'ny zanak'olombelona ny TOKY mendrika an'Andriamanitra. Tafiditra amin'izany ny fahatokiana dokotera mihoatra ny fahatokiana an'Andriamanitra ho hany tena mpanasitrana sy tompon'ny fanasitranana. Ao ny fahatokiana ny fahaizana amam-pahalalàna hiampitana amin'ny dingana eo amin'ny fiainana ka hanadinoina an'Andriamanitra. Mpahazo ny maro io indrindra amin'izao firoborobon' ny siansa sy fandrosoana fatratra izao. Afaka mamaly ny olona tsirairay hoe inona eo amin'ny fiainako no hatokiako kokoa ny olona na ny teknolojia na ny siansa sns ... miolotra amin'ny planin'Andriamanitr a.
Etsy an-daniny kosa, dia FITAHIANA lehibe no ampanantenain' Andriamanitra izay olona mahay mametraka an'i Jehovah ho hany tompon'ny teny farany amin'ny lafim-piainana rehetra. Velona sy miaina amim-pahatokiana ny olona tahaka izany na dia eo anatrehan'ny zava-mafy indrindra amin'ny fiainana aza. Mafonja tokoa ny fampanantenana entin'io teny io: TSY MANAHY NY HAINANDRO. Ny hainandro no tokony hampalazo ny zavamaniry raha be loatra. Satria anefa mahazo ny ranon'i Jehovah ny olona matoky Azy dia tsy manahy mihitsy ny hainandro toy izany na raha hadika dia ny zava-tsarotra rehetra mety mitondra loza na mahafaty ny aina.
Ny Fanahy Masina anie hampianatra ny olona hatoky ny fitantanan'Andriamanitra.
--------
2 - Hiaraka hivavaka isika:
Ry Rainay any an-danitra ô, vovoka sy olotra izahay ka tsy mahay akory ny matoky sy miandry Anao amin'izay mahamay anay amin'ny fiainana. Ianao irery no mahay manefa ny finoanay ka hangatahanay amin'ny alàlan'ny Fanahinao mba hanefa izay sitrakao ato am-ponay. Mivavaka sy mitalaho Aminao mba hovonjenao ny tanindrazanay Madagasikara ary mba hanjaka ao ny Fahamarinana sy ny sitraponao mandrakizay. Amin'ny anaran'i jesoa Tomponay no anaovanay izao vavaka izao. Amena
----------------------------------------------
L'amour du Père
Car Dieu était en
Christ, réconciliant le monde avec lui-même [...]. 2 Corinthiens 5.19
L'amour du Père ne connaît aucune limite.
Dans son autobiographie, voici ce qu'a écrit une personnalité bien connue de la télévision: «Si le Père [céleste] est si rempli d'amour, pourquoi n'est-il pas descendu lui-même pour aller au Calvaire?» Ce commentaire révèle à quel point l'auteur comprend mal l'amour d'un bon père terrestre et la profondeur de l'amour révélé dans la sainte Trinité.
Considérez l'amour d'un père terrestre pour son fils. Dans Genèse 22, nous lisons que Dieu a demandé à Abraham de sacrifier son fils Isaac. Nous ne pouvons qu'imaginer 1'agonie que le père a dû éprouver en son cœur en gravissant la montagne. Abraham a sûrement désiré pouvoir prendre la place d'Isaac.
En tant que père et grand-père moi-même, je choisirais de mourir à la place de ma progéniture, si j'avais le choix.
Or, notre amour de père terrestre n'est qu'un faible reflet de l'amour de notre Père céleste pour son Fils et pour nous. Compte tenu de la relation étroite entre le Père et le Fils, Jésus pouvait dire: «Moi et le Père nous sommes un» (Jn 10.30). En outre, la Bible nous dit que «Dieu était en Christ, réconciliant le monde avec lui-même» (2 Co 5.19a). Il ne fait donc aucun doute que le Père a partagé la douleur de son Fils au Calvaire.
Comme c'est merveilleux de savoir que nous avons un Père qui nous aime au Ciel! C'est parce que Jésus est mort pour nous que nous pouvons être pardonnés et jouir personnellement de l'amour du Père. - H.V.L.
----------------------------------------------
Tuning In
When he brings out his own sheep, he goes before them; and the sheep follow him, for they know his voice. John 10:4
Listening to Jesus is the first step to following
I don’t know if this is true in every marriage, but for some reason I have a tendency to tune out everything around me and concentrate on my own thoughts. This is especially frustrating to my wife, Martie, when she is talking to me about something important. When she notices the distant look in my eyes, she often says, “Have you heard anything I’ve said?”
Listening is an important part of any relationship, especially in our relationship with Christ. If we belong to Him, we have the privilege of communing with Him through His Word and the work of the Holy Spirit in our hearts. We know we are paying attention to the true Shepherd when His voice leads us to righteousness, love, grace, and all that is consistent with His character and will. As Jesus made clear when He identified Himself as the “good Shepherd” in John 10, those who diligently listen to Him become devoted followers of Him (v.4) who are becoming transformed into His likeness.
Just as listening attentively to your spouse or a friend communicates value and worth, paying close attention to the voice of Jesus is one way to affirm His importance in your life. So, let’s cast aside the distractions of life, tune in to His voice, and pray for the grace to do what He says.
I would be prayerful through each busy moment;
I would be constantly in touch with God;
I would be tuned to hear His slightest whisper;
I would have faith to keep the path Christ trod. Walter