Koa miambena ianareo; fa ho avy ny Zanak'Olona amin'ny fotoana tsy ampoizinareo. Lioka 12:40
Fandaharana anio:
1 - Toriteny
2 - Hiaraka hivavaka isika
--------
1 - Toriteny
Inona no ataon’ny mpianatry ny Tompo eo am-piandrasana ny fiaviany fanindroany?
- Voalohany dia tokony ho mahatoky isika
- Faharoa dia tokony hahay handanjalanja isika amin’ny hahaizantsika mifandray amin’ny mpiara-belona amintsika.
Amin’ny maha mpianatr’I Kristy antsika dia tokony mahafantatra isika fa Andriamanitra dia nampitandrina antsika ny zava-boahary noforoniny ary niantso antsika koa hikarakara ny olony. Tokony ho
fantatsika mazava fa adidintsika ny mitoetra ho mahatoky ary hifandray tsara amin’ny namantsika araka izay tiantsika hifandraisany amintsika koa.
Misy fampitandremana koa ny filazantsara anio. Ny Tompontsika – ny Mpamonjy – dia tsy eto anivontsika intsony. Ary araka ny maha tsy eto intsony azy no toa mahamora ny fivadiana aminy sy ny
fiodinana tsy hanao ny sitrapony intsony.
Voambaran’ny Soratra Masina etoana fa mbola hiverina Kristy; zava-marina izany ary tsy azo hiadian-kevitra. Tsy nilaza tamintsika anefa Izy ny fotoana hiverenany marina. Tsy fantatsika ny andro
na ny ora hiverenany. Koa inona ary no ataontsika eo am-piandrasana izany?
Amin’ny fotoana tsy ampoizina ny hiavian’ny Tompo koa tokony tsy hatoritory isika fa hiambina. Tokony hanohana ny hikarakara ny hafa isika tahaka koa ny mety hikarakarantsika an’I Kristy.
- ao amin’ny filazantsaran’I Matio nanambara Kristy fa raha mamahana ny noana sy mampisotro ny mangetaheta isika dia tahaka ny manao izany Aminy koa.
- Nanambara koa Jesoa fa raha mandray tsara ny vahiny isika ary mampitafy ny tsy mpanan-kitafy sy ny mitanjaka dia tahaka ny manao izany Aminy koa.
- Nilaza koa Jesoa fa raha mitsidika ny marary isika ary mamangy ireo any am-pigadrana dia tahaka ny manao izany Aminy koa.
Raha maharitra isika dia hampiandrakeitin’ny Tompo adidy lehibe kokoa noho izany aza.
Loza kosa ny ho antsika raha ohatra ka manararoatra ny hafa isika raha mbola ela tsy mby eo am-baravarana ny Tompo. Loza ho antsika raha mampijaly izay olona tandremantsika isika – na
manararoatra ny tsy fiavian’ny Tompo hamelomana ny fitiavan-tenantsika. Tsy ankasitrahan’ny mason’Andriamanitra ny mamadika ny fitiavana ho fitiavan-tena ary ny fikarakarana ny hafa ho tsy
fijerena afa tsy ny tenantsika ihany.
Raha manao izany isika dia tonga naman’ny tsy mahatoky. Manjary ho lasa mafy fo, be valifaty ary feno fanamarinan-tena isika raha izany.
Tokony hiverina indray amin’ny fahatokiana ny fahasoavan’Andriamanitra ho fototry ny tsara rehetra sy ny famonjena isika. Mitondra fahasahiranana amin’ny olona tiantsika sy ireo izay
karakaraintsika ny fisitahantsika amin’Andriamanitra. Misy mantsy mahafantatra ny mikasika an’Andriamanitra kanefa tsy mahay mankatò ny sitrapony amin’ny fihetsiny andavan’andro. Hainy tsara ny
mamintina ny lalàn’Andriamanitra, kanefa kosa lavitra azy ny fanoavana marina izany sy ny hevitra fonosiny.
Mbola ho avy ny Tompontsika ; zava-marina izany ! Satria tsy fantatsika ny fotoana hiaviany dia tokony hitoetra mahatoky amin’Andriamnitra isika ary hampiasa ny fieritreretantsika tsara
raha mikarakara ny namantsika!
--------
2 - Hiaraka hivavaka isika:
Ry Tompo Malala ô, ho avy faingana Ianao ary amin’ny fotoana tsy ampoizinay, tsy ampoizin’ny mpitondra fanjakana, ny mpiandraikitra isan-tsokajiny, ny mpampianatra, ny mpandraharaha. Tompo ô,
ampiomano izahay mba hitondra tena mendrika Anao ary ny fiainanay anie dia ho fanomezam-boninahitra ny Anaranao irery ihany. Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen
--------------------------------------
Ne crains point, car je t'ai racheté; je t'ai appelé par ton nom, tu es à moi. Ésaïe 43. 1
Ayant cru, vous avez été scellés du Saint Esprit. Éphésiens 1. 13
Témoignage
Élevée dans une famille chrétienne jusqu'à 18 ans, j'ai ensuite vécu comme bon me semblait, avec un succès apparent. Mais rien ne pouvait combler le vide au fond de mon cœur… Un jour de 1995,
seule dans ma chambre, dans un pays d'Afrique, je lisais la parabole de l'évangile où le Christ explique que plusieurs serviteurs ont reçu une somme d'argent (des “talents”) qu'ils doivent
faire fructifier pour leur maître (Matthieu 25. 14-30). L'un d'eux cache son talent dans la terre, et doit ensuite avouer qu'il n'a rien
produit. Une voix intérieure me dit soudain: “Qu'as-tu fait de cet unique talent? Ce trésor que tu as entre les mains, que tes parents t'ont fait connaître, qu'en as-tu fait?” Alors la peur
me saisit, je pensai que moi aussi, comme le serviteur de la parabole, j'allais être jetée dehors dans la nuit, loin de Dieu! Désemparée, je cherchai une réponse… Je me sentais perdue.
J'ai alors eu l'impression d'un choc au cœur, semblable au coup de tampon qui scellait autrefois une lettre avec un cachet de cire. Quelque chose de nouveau m'était arrivé, je ne
m'appartenais plus, quelqu'un avait mis son sceau sur moi. La douleur ressentie s'accompagnait d'une joie indicible. Je me suis jetée à genoux en pleurant et j'ai enfin pu dire: “Seigneur
Jésus!”. Tout mon triste passé défilait devant moi, mais je glorifiais Dieu de m'avoir délivrée et acceptée telle que j'étais. Un poids immense avait été ôté et je me sentais libre comme un
oiseau. Depuis ce jour, je vis avec le Seigneur.
Amina
--------------------------------------
Well Prepared
You also be ready, for the Son of Man is coming at an hour you do not
expect. Matthew 24:44
Spiritual victory comes only to those who are prepared for battle.
The idea of always being prepared makes me think of the man who lived next door to us when I was growing up. When Mr.
Nienhuis came home, he never failed to back his car into the garage. That seemed unusual to me until my mother explained that Nels was a volunteer fireman. If he got a call, he had to be ready
to race to the fire station. He backed in so he could leave quickly when he had to report for duty.
To be well prepared is important in so much of life. “If I had 8 hours to chop down a tree, I’d spend 6
sharpening my axe,” said Abraham Lincoln. We prepare for a career by studying. We buy insurance in case of a car accident or a house fire. We even prepare for the end of life by
making a will to provide for loved ones.
The Bible tells us we must prepare ourselves spiritually as well. We do that by putting on spiritual armor to protect
ourselves from spiritual attack (Eph. 6:10-20); by preparing our minds for holy living (1 Peter 1:13); by making sure we’re always prepared to answer questions about
the reason for the hope we possess (3:15); and by ensuring that we are ready for the promised return of Jesus (Matt. 24:44).
How well prepared are you for what lies ahead? Unsure? Ask the Lord for His help and guidance.
When I awake at early morn
To meet the coming day,
I want to be prepared to take
Whatever comes my way. Simmons