Aim-panahy Bread of life Verset du jour
Miarahaba anao amin'ny anaran'Ilay tia antsika
Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. Heb. 11:6
Fandaharana anio:
1 - Toriteny
2 - Vavaka
--------
1 - Toriteny
Ny testamenta taloha iray manontolo dia nifototra tamin'ny teny fikasana nomen'Andriamanitra an'i Abrama (Gen. 11:2-3) ary ny testamenta vaovao kosa dia nifototra tamin'ny teny fikasana vaovao nomen'Andriamanitra tamin'ny alàlan'i Kristy (Jaona 3:16). Manana toerana lehibe noho izany i Abrama izay lasa Abrahama raha amin'ny finoana kristiana no jerena. Abrama dia zanak'i Tera ary nanana rahalahy antsoina hoe Nahora sy Harana izy (Gen. 12:26). Mpivahiny sy mpifindra-monina no ilazana an'i Abrama sy ny fianakaviany ary teo an-dàlana ho any Kanana avy any Oran'ny Kaldeana izy mianakavy no nitoby tao Harana toerana nonenany. Efa mino sy nanana an'i Jehovah ho Andriamaniny ny fianakaviany na dia tsy voalaza aza fa niseho na nifandray mivantana tamin'izy ireo Andriamanitra. Zary olon-tsotra ihany i Abrama noho izany. Ny ANTSON'Andriamanitra tonga taminy sy NY TENY FIKASAN'Andriamanitra taminy no dingana iray lehibe nampiova tanteraka ny fiainany.
"Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama:'mandehana mialé amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao; ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany."Gen. 12:2-3.
Raha miantso anao toy izao Andriamanitra, inona no havalinao raha teo amin'ny toeran'i Abrama ianao? Handeha ve ianao na dia voatery hiala ny fianakaviana sy ny tranon-drainao aza sy izay toerana efa mahatamana anao? ary indrindra handeha ve ianao raha tsy mbola fantatrao veroka akory ny toerana hampandehanana anao? Sa handeha ve ianao nohon'ny tombontsoa lehibe manokana heverinao fa ho azonao toy ny hoe halaza sy hahery ianao ary koa ho voaro amin'ny ozona ianao?
Asa, fa samy manana ny havaliny ny olona tsirairay. Mampahatsiaro fotsiny eto fa Andriamanitra dia mbola miantso sy maniraka ny olona ankehitriny na dia tsy mivantana toy ny tamin'i Abrama aza. Efa naheno ny antsony ve ianao?
Fa toy izao kosa no fanazavan'ny soratra masina izay valin-tenin'i Abrama.
"Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hianga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day." Heb.11: 8-9
Arak'izany dia nandeha tokoa i Ambrama vonona ny nisedra ny tsy fantany ary nahafoy ny fianakaviany noho ny FINOANY an'Andriamanitra. Nanana fifandraisana manokana tamin'Andriamanitra tokoa i Abrama ary ho hitantsika amin'ny manaraka fa nosedraina im-betsaka izany finoany izany.
--------
2 - Hiaraka hivavaka isika:
Ry Rainay any an-danitra ô, izay niantso an'i Abrahama fotoana ela dia ela izay. Omeo finoana Anao ka hatoky Anao marina amin'izay ampitso tsy fantatra. Omeo fahatokiana ny maha Andriamanitra Mahery Anao sy Mpitantana. Velomy ato anatinayy ny fo mahay manaja Anao amin'ny lafim-piainana rehetra. Dia ho voninahitry ny anaranao anie ny ankehitriny iainanay sy ny ampitso tsy fantatray. Amin'ny anaran'i Jesoa Mpamonjy. Amena
------------------------------------------------------
Qui dira: J'ai purifié mon coeur, je suis net de mon péché ? Proverbes 20. 9
Si nous confessons nos péchés,… [Dieu] est fidèle et juste pour nous pardonner nos péchés et nous purifier de toute iniquité. 1 Jean 1. 9
Pureté… Qu'est-ce que ce mot évoque pour nous? La pureté de l'air, de l'eau et des aliments? Le souci de pureté est très présent dans nos esprits à cause des problèmes liés à la pollution et au respect de l'environnement. Il y a aussi une relation évidente entre ce que j'absorbe et ma santé. Si je ne suis pas attentif à ce que je respire, bois ou mange, je peux m'affaiblir et même m'intoxiquer. Tout cela est vrai dans le domaine physique, mais c'est également vrai dans le domaine moral. Ce que je regarde, lis et écoute, influence mes pensées, les élève, ou les salit.
Mais il y a plus encore. La principale source d'impureté est dans mon cœur. “C'est du coeur que viennent mauvaises pensées, meurtres, adultères…, injures: voilà ce qui souille l'homme” (Matthieu 15. 19, 20). C'est ce qui m'empêche d'avoir accès à la présence de Dieu. Comment alors me purifier?
Plusieurs religions soulignent la nécessité de le faire par des pratiques méritoires ou des sacrements. Mais ce n'est pas ce qu'enseigne la Bible. Elle nous dit que nous ne pouvons pas nous purifier nous-mêmes. La purification est l'œuvre de Dieu: “le sang de Jésus Christ son Fils nous purifie de tout péché” (1 Jean 1. 7). Lorsque, par la foi, j'accepte le don de Dieu, il me pardonne et me purifie de toutes mes fautes. Alors il me donne la force de pouvoir me tenir à l'écart, dans ma vie, dans mes pensées, de tout ce qui est incompatible avec la sainteté de Dieu. Il me montre comment vivre les différentes relations humaines dans la pureté, la vérité et l'amour.
------------------------------------------------------
Do you know how the clouds are balanced ? Job 37:16
Creation is filled with signs that point to the Creator.
One day many years ago my boys and I were lying on our backs in the yard watching the clouds drift by. “Dad,” one asked, “why do clouds float?” “Well, son,” I began, intending to give him the benefit of my vast knowledge, but then I lapsed into silence. “I don’t know,” I admitted, “but I’ll find out for you.”
The answer, I discovered, is that condensed moisture, descending by gravity, meets warmer temperatures rising from the land. That moisture then changes into vapor and ascends back into the air. That’s a natural explanation for the phenomenon.
But natural explanations are not final answers. Clouds float because God in His wisdom has ordered the natural laws in such a way that they reveal the “wondrous works of Him who is perfect in knowledge” (Job 37:16). Clouds then can be thought of as a symbol—an outward and visible sign of God’s goodness and grace in creation.
So someday when you’re taking some time to see what images you can imagine in the clouds, remember this: The One who made all things beautiful makes the clouds float through the air. He does so to call us to wonder and adoration. The heavens—even the cumulus, stratus, and cirrus clouds—declare the glory of God.
The Lord’s creation you’ll adore
As you observe each day unfold;
Let your imagination soar
As you His handiwork behold. Branon