Overblog Tous les blogs Top blogs Religions & Croyances
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
MENU

Aim-panahy Bread of life Verset du jour

Publicité

Une main tendue

Miarahaba anao amin'ny anaran'Ilay tia antsika

 

Fa tsy nomen'Andriamanitra Fanahy osa isika fa Fanahy MAHERY sy fitiavana ary fahononan-tena.

2 Tim 1:7

 

Fandaharana anio:

 

1 - Toriteny: Ilay zanaka adala tonga nibebaka

2 - Vavaka

 

---------------------------

 

1 - Toriteny: Ilay zanaka adala tonga nibebaka

 

Resaka fibebahana sy ny fanamarinan-tena no votoatin’ny hafatra anio. Misy olona mahatsiaro fa MARINA ary tsy manana antony ibebahana (Lioka 15: 7). Hoy ny soratra masina:” raha hoy isika tsy manana ota isika, dia mamita-tena ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Raha hoy isika tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.: I Jaona 1: 8-10

Ary misy olona indray mahatsiaro mafy ny havesatry ny fahotany ary manatona an’Andriamanitra mibebaka. Tahaka izany ny mpanjaka Davida raha hoy izy nitoloko: ”Mamindra fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanaol araka ny haben’ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. Sasao madio aho mba ho afak-keloka ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Fa tsaroakao ny fahadisoako; ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. Taminao dia taminao ihany no nanotao ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko.” Salamo 51:1-4

Tahaka izany ihany koa no tsapan’ilay zanaka adala izay nandao ny tranon-drainy ary nandany ny fananany tamin’ny fiveloman-dratsy “Raiko o, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika atao hoe zanakao intsony”. Lioka 15:18 Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.” Lioka 15:20

Ny fampanantenana lehibe aorian’ny fibebahana dia ny tanan’Andriamanitra mivelatra vonona ny handray ny mpanota indray ary hamerina azy ao anatin’ny fiadanan’Andriamanitra sy ny fahadiovan’ny fieritreretana.

TOKONY HIALA TANTERAKA ao anatin’ny sain’ny mpanota ny tahotra fa tsy hamela azy Andriamanitra satria mavesatra loatra ny ota nataony. Fitaka avy amin’ilay ratsy ny fiheverana toy izany satria manamaivana ny herin’ny ran’I Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ho fanavotana sy fanadiovana amin’ny fahotana REHETRA. Toy ilay dadan’ilay zanaka adala dia onena ny mpanota Andriamanitra ary miandry ny hiverenany ao an-tranon-drainy.

 

---------------------------

 

2 - Hiaraka hivavaka isika

 

Tompo ô, ampio aho mba hahay hanolotra aminao ny fahalemeko sy ny fahadisoako.

Ampio aho hatoky Anao ho mpanavao sy mpamela heloka. Tompo o, aza avela hibata ny fahadisoako irery aho fa kosa hahay hanolotra izany aminao.

Fa Ianao Kristy ô no Ilay Zanak'Ondrin'Andriamanitra manala ny fahotan'izao tontolo izao.

Ray ô, mahery Ianao koa aminao no ametrahanay ny fanadiovana ny firenenay ho feno olona matoy sy mitady Anao marina.

Mamelà ny helokay Tompo ô. amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo. AMEN

 

---------------------------

 

The Way We Walk

 

Just as Christ was raised from the dead by the glory of the Father, even so we also should walk in newness of life.

Romans 6:4

 

A change in behavior begins with a change in the heart.

 

A television program that I enjoy watching has a segment called Ambush Makeover. Two women are chosen to undergo 3 hours of pampering to update their hair, makeup, and wardrobe. The change is often dramatic. When the women step from behind a curtain, the audience gasps. Friends and family members sometimes start to cry. After all of this, the person with the new look finally gets to see herself. Some are so shocked that they keep looking in the mirror as if to find proof that it’s really them.

As the women walk across the set to join their companions, the former self becomes evident. Most do not know how to walk in their new shoes. Although they look chic, their clumsy walk gives them away. Their transformation is incomplete.

This is true in our Christian lives as well. God does the work in us to give us a new start, but to walk in the way of the Lord (Deut. 11:22) requires time, effort, and lots of practice. If we just stand still and smile, we can pass as being transformed. But the way we walk tells how far along we are in living out that transformation. Being changed means giving up our previous way of life and learning a new way to walk (Rom. 6:4).

 

The new life in Christ has begun

The past with its darkness is gone;

Look closer to see what the Savior has done,

For change is beginning to dawn. Hess

 

---------------------------

 

[Elle] tend la main à l'indigent.

Proverbes 31.20

 

Dieu porte souvent secours aux gens par la main tendue d'un être humain.

 

Dans les années 1930, le jockey Johnny Longden s'est fait percuter en pleine course. Au passage des bruyants coursiers qui le suivaient, Johnny s'est fait désarçonner et éjecter sur le côté. Voyant Longden en mauvaise posture, un autre jockey a essayé de le pousser pour le faire remonter en selle. Malheureusement, il l'a poussé trop fort et Longden a volé par-dessus son cheval et s'est retrouvé de l'autre côté de sa monture. Un autre jockey à proximité l'a attrapé et a réussi à l'aider à retrouver la sécurité de sa selle. Étonnamment, Johnny Longden a remporté la course ! Un journal a rapporté l'incident en l'intitulant: " l'ultime impossibilité ". Des mains secourables lui avaient non seulement épargné de graves blessures et une mort possible, mais permis aussi de gagner la course.

 

En tant que croyants, nous devons nous aussi offrir une main secourable aux autres. Le Proverbe 31 nous parle d'une femme vertueuse qui "tend la main au malheureux, elle tend la main à l'indigent" (v. 20). Depuis des siècles, la compassion de cette femme de foi sert d'inspiration tant aux hommes qu'aux femmes. Elle nous aide à nous rappeler que tous les croyants devraient pratiquer la vertu biblique qui consiste à porter secours aux autres.

Beaucoup de gens vivent des combats ou sont éprouvés et ont besoin de notre aide. Qui dans votre vie a besoin que vous lui tendiez la main ? 

Publicité
Retour à l'accueil
Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article