Overblog Tous les blogs Top blogs Religions & Croyances
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
MENU

Aim-panahy Bread of life Verset du jour

Publicité

Miandrasa an'i Jehovah ary antenao ny fahagagany!

Miarahaba anao amin'ny anaran'Ilay tia antsika!


 

Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga Zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Dia ireo izay tsy nateraky ny sitrapon'ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.

 Jaona 1: 13,14



Fandaharana anio:


1 - Ismaela - sy - Isaka: Moa misy zava-mahagaga tsy hain'i Jehovah va? Gen. 18:14

2 - Hiaraka hivavaka isika


--------------------------------------------------------------------------------


1 - Ismaela sy Isaka: Moa misy zava-mahagaga tsy hain'i Jehovah va? 


Rehefa tsy nahandry ny teny fampanantenan'i Jehovah i Abrama sy Saray fa ny zanany haterany no handova azy dia nasain'i Saray hiteraka tamin'ny mpanompovaviny Hagara ny vadiny Abrama raha 86 taona izy. Niteraka zazalahy tokoa Hagara ary ny anarany nataon'i Abrama hoe Ismaela. 

(Gen. 16:15).



Tsy izy anefa no ilay voatondron'i Jehovah fa handova an'i Abrahama Rain'ny firenena rehetra. Arak'izany dia zaza nateraky ny sitrapon'ny olona sy ny sitrapon'ny nofo ihany izy fa tsy tao amin'ny planin'Andriamanitra. Ny tahotry'i Saray sy ny fahoriany no nampazahoany an'i Ismaela ary noraisiny an-tànana ny fanatanterahana ny tenin'i Jehovah fa tsy nahandry intsony Izy. 

"Lehilahy toy ny borikidia izy; ary ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tànan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy. 

Genesisy 16:12

.

 

 

Tsy ny zaza rehetra ateraky ny sitrapon'ny nofon'ny olon-droa tokoa no ao anatin'ny planin'Andriamanitra. Tsy satria manara-po amin'ny asan'ny nofo ny olona roa rehetra ka mitoe-jaza dia avy amin'Andriamanitra avokoa izany. Tahaka an'i Ismaela anefa, mandamina foana Andriamanitra ary manamboatra ny fahadisoan'ny olombelona.

Lehilahy antitra efa 99 taona i Abrahama ary 89 i Saraha vadiny no vao tonga niseho taminy indray Jehovah mikasika ny teny fanekeny ka nanamafy hoe fa "Hahamaro ny taranakao indrindra aho, ka hataoko ho firenena maro ianao, ; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao..." Genesisy 17: 6.

Nihomehy anaty i Saraha raha naheno ny mpivahiny (anjely) nilaza tamin'i Abrahama hoe: "Hiverina aminao tokoa aho raha tonga ny fotoana toy izao, ary indro, hanana zazalahy Saraha vadinao" Gen. 18:10 satria mbola tsy nino ihany izy. Marina tokoa fa: Abrahama sy Saraha dia samy efa zokiolona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy i Saraha.


Ao anatin'ny fahataperan'ny herin'olombelona sy ny lalànan'ny natiora anefa no vao mainka isehoan'ny voninahitr'Andriamanitra matetika. Raha mbola tanora taona angamba i Saraha sy Abrama dia tsy hisy ho gaga firy amin'ny fahafahany miteraka zazalahy. Fa efa antitra sy tsy afaka miteraka intsony izy ireo no indro tonga Andriamanitra maneho ny heriny: Zazalahy. Tsy tahaka izany koa Maria virjiny izay niteraka ny Tompo Jesoa? fa izao no ambaran'Andriamanitra "Tsy misy zava-mahagaga izay tsy hain'i Jehovah" Gen. 18: 14.


Mety mandalo fotoan-tsrotra mafy dia mafy ianao, izay rehetra antenaina toa mivarina an-kady avokoa, ary toa maizin-kitroka izay jerena rehetra! izao anefa, tsarovy fa rehefa mampanantena Andriamanitra fa homba anao Izy dia tsy mivadika amin'ny teny fanekeny mandrakizay Izy. Hoy Davida Mpanjaka "niandry dia niandry an'i Jehovah aho ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo, ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fiderana an'Andriamanitsika" Salamo 40:1-3


--------------------------------------------------------------------------------


2 - Hiaraka hivavaka isika

Ry Andriamanitra Mpamorona izao tontolo izao ô, raha mila manadino ny Maha Andriamanitra Mahefa ny Zavatra rehetra Anao izahay ka mivarina ao anatin'ny tontolo maizina tsy misy fanantenana, dia sariho amin'ny tàna-maherinao mba HINO ny fahagaganao sy hihevitra ireo fahasoavana maro nomenao taloha mba ho velona indray ny fanantenanay ary ho mirana izahay. Avaozy hiorina marina ato anatinay ny fanahinay ary ampitoero ao ny Fanahy Masina Mahery mpandresy izao tontolo izao avy Aminao. Ataovy mpitondra fahazavana izahay amin'ny maizina rehetra, ary mpitondra fifaliana hampisava ny alahelo rehetra. Ary Aminao no ametrahanay ny fiainan'ny vahoaka malagasy rehetra sy ny raharaham-pirenena misavorovoro ankehitriny. Ho voninahitry ny anaranao irery ihany anie ny fisianay ety. Amin'ny anaran'i Jesoa Tomponay. AMEN.


Dia mametraka veloma ho aminao vetivety indray ary mirary ny fitahian'Andriamanitra velona ho aminao lalandava. 



 

 

 

 

Seigneur, voici, celui que tu aimes est malade.

Jean 11. 3

 

Il a été malade, tout près de la mort ; mais Dieu a eu pitié de lui, et non seulement de lui mais aussi de moi, afin que je n'aie pas tristesse sur tristesse.

Philippiens 2. 27


La maladie : sa signification pour le chrétien


Le Seigneur permet parfois la maladie pour le bien moral et spirituel des siens. Avec sagesse et amour, il mesure soigneusement l'épreuve ainsi permise pour qu'elle atteigne son but. Mais en même temps il donne à son enfant la force d'en supporter le poids.

Il n'est pas toujours facile de discerner les buts précis que Dieu poursuit par la maladie qu'il permet. Il désire sûrement développer notre foi et notre patience, mais peut-être aussi veut-il :

– nous mettre à l'écart pour mieux “parler” à notre conscience et à notre cœur,

– nous détacher de préoccupations matérielles qui ont pris trop d'importance dans notre vie,

– se révéler à nous comme le Dieu de consolation,

– nous faire expérimenter la sympathie et l'amour fraternel de nos frères et sœurs chrétiens,

– nous donner l'occasion de rendre autour de nous un témoignage de patience et de soumission.

– nous apprendre à sympathiser avec d'autres malades.

Assurément, l'apôtre Paul désirait la guérison d'Épaphrodite, son collaborateur (Philippiens 2. 27), mais il ne voulait pas utiliser son don de guérison pour le soustraire à l'épreuve permise par Dieu. Le grand apôtre priait pourtant, sans aucun doute avec foi, pour remettre à Dieu son ami malade.

La médecine a sa place, la prière et l'intercession ont la leur (Jacques 5. 14).

 

 

 

 

 

Too Busy To Know God?


She had a sister called Mary, who also sat at Jesus’ feet and heard His word.

Luke 10:39

 

Our heavenly Father longs to spend time with His children.


One day when I was waiting to board a plane, a stranger who had overheard me mention that I was a chaplain began to describe to me his life before he met Christ. He said it was marked by “sin and self-absorption. Then I met Jesus.”

I listened with interest to a list of changes he had made to his life and good deeds he had done. But because everything he told me was about his busyness for God and not his fellowship with God, I wasn’t surprised when he added, “Frankly, chaplain, I thought I’d feel better about myself by now.”

I think the New Testament character Martha would have understood that stranger’s observation. Having invited Jesus to be a guest at her home, she set about doing what she thought were the important things. But this meant she couldn’t focus on Jesus. Because Mary wasn’t helping, Martha felt justified asking Jesus to chide her. It’s a mistake many of us make: We’re so busy doing good that we don’t spend time getting to know God better.

My advice to my new airplane friend came from the core of Jesus’ words to Martha in Luke 10:41-42. I said to him: If we’re too busy to spend time with God, we’re simply too busy.


Savior, let me walk beside Thee,
Let me feel my hand in Thine;
Let me know the joy of walking
In Thy strength and not in mine. Sidebotham

Publicité
Retour à l'accueil
Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article