Aim-panahy Bread of life Verset du jour
Miarahaba anao amin'ny anaran'Ilay tia antsika
… Matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao, hoy Jesosy. Jaona 16:33
Fandaharana anio:
1 - Matokia!
2 - Hiaraka hivavaka isika
-----
1 - Matokia!
Tsy vitsy ny kristiana mieritreritra na manantena ho afaka avy hatrany amin’ny fahoriana sy ny fisedrana, amin’ny aretina sy ny fahasahiranana rehefa mivavaka. Heveriny ho fahagagana isan’andro ny fivavahana kristiana ka izay rehetra angatahina dia azo eo noho eo.
Maro koa ny olona no manatona ny Tompo Jesosy rehefa tojo ady sarotra fotsiny ihany, ka miverina làlana izy ireny raha sanatria tsy mahazo valim-bavaka.
Heveriny ho toy ny varotra : “inty sy inday” ny fivavahana kristiana.
Inona tokoa moa no azo amintinana ny zavatra tadiavin’ny olombelona eto an-tany afa-tsy tokana ihany ? FAHASAMBARANA.
Azo adika amin’ny hevitra maro io teny io.
Ho an’ny tsirairay ohatra dia ny tsy hisian’ny olana intsony ao amin’ny fiainany. Ho an’ny daholobe ohatra dia ny hisian’ny fahandriam-pahalema na. Ho an’ny firenena iray ohatra dia ny hanafoanana ny fahantràna sy hananana fiharian-karena iombonana avo lenta.
Ankehitriny moa aza, noho ny fandrosoan’ny siansa amin’ny fitsaboana dia ezahina izay tsy harenesan’ny marary fanaintainana.
Iza tokoa moa no ho tia miaritra fahoriana ? Tsy misy.
Joba aza na dia nifikitra mafy tamin’Andriamanitra, tsy nahatanty ny fahoriana nihatra taminy ka nivavaka nangataka ny ho faty.
Jesosy, ilay zanak’Andriamanitra koa aza nivavaka hoe : ” Esory amiko ity kapoaka ity”.
Izao anefa : na inona na inona ezaka atao, tsy ho vita ny hanafoanana tanteraka ny fahoriana, tsy ho voasakana hatrany ny hitrangàn’ny olana, tsy mbola ho feno tanteraka ny fahasambarana … satria mbola Tontolo tsy nohavaozina tanteraka ny Tontolo misy antsika. Mbola ilay Tontolo nidiran’ny ota sy ny fahafatesana.
“Pesimista” aho angamba hoy ianao ? Tsia.
Ny zava-misy iainako sy ny zava-miseho manodidina ahy no mahatonga ahy hilaza izany : marary aho androany, sitrana aho rahampitso, mety aretina hafa indray no ho tonga amiko rahafak’ampitso. Faly aho androany, sahirana aho rahampitso, mety hiady saina aho rahafak’ampitso.
Izay no mahatonga ny fitenenana hoe “ady ny fiainana”. Tsimbalivalin’ ny tsara sy ny ratsy no mameno ny tantaran’olona iray. Fahafatesan’ny nofo, aloha hatramin’izao, no fiafaràn’ny fiainan’olombelona.
Manolona izany dia izao ihany no ambarako anao :
Nomena safidy ianao : na hiady irery, na hitambatra amin’olon-kafa ka hanambatra ny hery…
Mbola ho reraka ihany anefa ianao raha toa ka olona mitovy aminao ihany no iankinanao.
Koa raha tsy te-hiady irery ianao, indro misy Olona iray efa naharesy izao tontolo izao. Tia anao Izy, vonona ny hiady ho anao, ary mamporisika anao hiankina tanteraka amin’ny heriny. Tsy iza izany fa Jesosy Kristy.
Izao tontolo izao mbola tsy nohavaozina tanteraka, fa ny olona miankina aminy kosa mahazo fanavaozana isan’andro. Ny fiombonan’ny olona miaraka Aminy, izay antsoina hoe fiangonana, no toerana ifampizaran- kery avy Aminy.
Hany ka ny tena fahasambarana dia ny fahasahiana mino sy miteny tahaka an’I Joba, na inona na inona karazam-pahoriana miseho, hoe : “Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy”.
Koa dia mahereza manovo hery amin’ny vavaka sy ny tenin’Andriamanitra.
-----
2 - Hiaraka hivavaka isika:
Ry Andriamanitra velona ô! Tsy mendrika akory izahay ny hanonona ny Anaranao fa Masina Hianao, mahery Hianao, Mahefa ny zavatra rehetra Hianao. Hianao efa nanangana an'i Jesoa tamin'ny maty. Hianao nanolotra anay maimaim-poana ny fiainana mandrakizay, Hianao efa nampanantena fahasambarana ho anay raha manaraka ny sitraponao. Ray ô, ho deraina anie ny Anaranao mandrakizay! Amena
-------------------------------------------------
Pour servir Dieu, il ne suffit pas d'être sincère, car même un enfant de Dieu désireux de servir Dieu en toute sincérité peut se tromper, s'il s'appuie sur ses propres ressources. Seule, l'obéissance à la vérité révélée dans la Parole de Dieu nous fait parvenir à la lumière et nous montre comment pouvoir être agréable à Dieu. Cette lumière fouille notre coeur et notre conscience, mettant à jour ce qui est incompatible avec la volonté de Dieu. Ainsi nos oeuvres sont manifestées devant le Seigneur, qui nous avertit du danger de bâtir avec du bois, du foin ou du chaume. 1 Corinthiens 3:12.
Si cette révélation n'est pas agréable, nous ne devons cependant pas la craindre, car elle fait partie de notre sanctification. Trop d'oeuvres prétendent être faites au Nom du Seigneur et sont cependant accomplies en dehors de Lui. Mais si nous permettons à notre Dieu d'agir en nous avec pleine autorité, Il nous donnera de faire cette expérience bénie: nous aurons la preuve que les oeuvres que nous faisons pour Lui sont faites en Lui. Acceptons l'action directe de Sa Parole; en pénétrant en nous, Sa lumière éliminera ce qui déplaît au Seigneur, tandis que ce qui provient de Lui sera affermi, protégé et rendu fructueux.
Nous lisons dans les Proverbes: "Recommande à l'Eternel tes oeuvres, et tes projets réussiront." 16:3. Les oeuvres que nous faisons ne doivent pas seulement être faites en Christ, mais nous devons encore les laisser entre Ses mains. Elles sont nées de Lui; mais elles ne doivent pas sortir de Sa main. La responsabilité appartient à Dieu. Pourquoi nous efforçons-nous de porter ce dont Il veut Lui-même Se charger? Si nous les accomplissons dans nos propres forces, elles vont bientôt nous déborder; il y aura de l'agitation et pas de bénédiction, et elles ne tarderont pas à prendre la place qui appartient à Dieu.
Mais sous la bonne main de notre Dieu, nos oeuvres porteront un fruit durable et "nos projets réussiront". Que la Parole de Dieu, qui est la vérité, inspire tous nos actes et nous aide à ne rien faire en dehors de Lui.
-------------------------------------------------
The New Normal
For we do not have a High Priest who cannot sympathize with our weaknesses, but was in all points tempted as we are, yet without sin. Hebrews 4:15
A pastor, who was trained in trauma and grief counseling, commented that the greatest challenge for people who are hurting is often not the immediate heartache of the loss. Instead, the biggest problem is adjusting to the different kind of life that follows. What once was normal may never be normal again. So the challenge for those offering help is to assist the sufferers as they establish the “new normal.” It may be a new normal that no longer includes robust health, a treasured relationship, or a satisfying job. Or it may be living without a loved one who has been taken in death. The gravity of such losses forces us to live a different kind of life—no matter how unwelcome it may be.
When our “new normal” comes, it’s easy to think no one understands how we feel. But that isn’t true. Part of the reason Jesus came was to experience life among us, resulting in His present ministry: “For we do not have a High Priest who cannot sympathize with our weaknesses, but was in all points tempted as we are, yet without sin” (Heb. 4:15).
Our Savior lived a perfect life, yet He also knew the pains of a broken world. He endured sorrow; He suffered agony. And He stands ready to encourage us when the dark moments of life force us to embrace a new normal.
Father, thank You that in the darkest seasons of life,
You will never abandon us. Guide us with Your never-failing presence
through both the welcome and unwelcome changes of life.
In Jesus’ name, Amen.