Aim-panahy Bread of life Verset du jour
Miarahaba anao amin'ny anaran'Ilay tia antsika
Amboary ny làlan’i Jehovah, ataovy mahitsy ny làlan-kalehany. Isaia 40: 3
Mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo. Matio 3: 8
Avia! Jesoa Tompo. Apokalypsy 22: 20
Fandaharana anio:
1 - Ianao ve ilay andrasana ?
2 - Vavaka miaraka aminao
-------------------------
1 - Ianao ve ilay andrasana ?
Tenin’I Jaona Mpanao Batisa izany izay nampitondrany ireo mpianany nirahiny ho any amin’I Jesoa raha nihidy tao am-pigadrana izy niandry ny didin’I Heroda Lehibe mikasika ny hahavelomany na tsia.
Araka ny maha-mpaminany an’I Jaona moa dia tsy maintsy mitondra ny hafatra madio avy amin’Andriamanitra izy na ho inona vokany na inona, eny na hiafara amin’ny fahafatesana aza. Tamin’izay indrindra izy no nododonin’ny fanahin’I Jehovah hanapositra ny fijangajangana mamoa fady izay nataon’ny mpanjaka Heroda niaraka tamin’I Herodiasy vadin-drahalahiny (Lioka 3:19). Rehefa avy niriharia sy nivezivezy tany an’efitra mantsy I Jaona nanomana ny mponin’I Jerosalema sy Jodia manontolo ny amin’ny hahatongavan’ny Mesia ary nitaona mpianatra betsaka hino ny fibebahana sy ny famelan-keloka ary ny fanjakan’Andriamanitra dia solafaka tampoka izy ary tavela am-patorana tao am-pigadrana. I Jesoa kosa tamin’izany dia efa nanomboka koa nitory ny fanjakan’Andriamanitra, nanasitrana, nampianatra, ary nanao fahagagana maro.
Fantatr’I Jaona tsara fa Mahery Jesoa satria Jaona nahay nanambara ny heriny tamin’ny vahoaka: "Tsy mendrika ny hamaha na ny fatoran-kapany aza” izy. “Ho avy Ilay mahery noho izaho” Matio 3: 11 ary raha tonga tany aminy aza ny olona ka nanontany ny mikasika an’I Jesoa dia izao no navaliny: ”Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. Ianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy fa nirahina hialoha azy aho. Izy tsy maintsy mitombo fa izaho tsy maintsy mihena”. Jaona 3: 27-30
Nisalasala ve izy ka nanjary nanontany tena tao am-pigadrana raha marina ihany izao hafatra nambarany ny mikasika ny Mesia izao? Moa Izy marina ilay Mesia nandrasan’ny Jiosy maro?” satria rehefa reny tao an-trano maizina ny asa nataon’I kristy dia nampanontany ny mpianany izy nanao hoe: ”Ianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? Mat. 11: 3 dia izao no navalin’I Jesoa: ”Mandehana ianareo dia ambarao amin’I Jaona izao hitanareo sy renareo izao: "mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, hatsangana ny maty. Ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. Ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko.” Lioka 7: 18-35 Koa manao ahoana ny finoanao? Efa nijery manodidina ve ianao ka nizaha ny asan’Andriamanitra izay manambara ny fisiany eo amin’ny fiainanao? Ny Ainao, ny fahavelomanao, ny fahasoavana maro izay mandalo ny fiainanao. Sao rehefa mafy ny ady dia lasa tsy misy dikany aminao intsony ireny fahagagana sy asan’Andriamanitra maro ireny ka tampina ny maso?
Andron’ny fibebahana izao ary mamoaza voa mendrika ny fibebahana.
-------------------------
2 - Hiaraka hivavaka isika:
Tompo ô, rehefa tafiditra ao anatin'ny tany foanan'ny fanahinay izahay, ka voatery amin'ny lafiny maro ... mandalo fahasahiranana, manahy lava ka manomboka tsy mino ny herinao dia arovy izahay, ampitsaharo ny fanahihanay amin'ny alàlan'ny herinao mahatata. Aoreno aminay ny fahatokiana feno Anao ry Andriamanitra Mpamorona izao tontolo izao. Mametraka aminao ny fiainam-panahinay manontolo mba arovanao amin'Ilay ratsy. Ampianaro izahay hiova ka handeha amin'ny làlan-tery fa malalaka ny làlana mankany amin'ny fahaverezana. Dia ho voninahitry ny anaranao anie Andriamanitra ô. Amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tomponay. AMEN.
Dia mametraka ny veloma homban'ny fitantantan'Andriamanitra!
-------------------------
The Wooden Rule
The body is not one member but many.
1 Corinthians 12:14
There are no unimportant people in the body of Christ.
Legendary UCLA basketball coach John Wooden had an interesting rule for his teams. Whenever a player scored, he was to acknowledge the person on the team who had assisted. When he was coaching high school, one of his players asked, “Coach, won’t that take up too much time?” Wooden replied, “I’m not asking you to run over there and give him a big hug. A nod will do.”
To achieve victory on the basketball court, Wooden saw the importance of teaching his players that they were a team—not “just a bunch of independent operators.”Each person contributed to the success of everyone else.
That reminds me of the way the body of Christ should work. According to 1 Corinthians 12: 19-20, each of us is a separate part of one body. “If they were all one member, where would the body be? But . . . there are many members, yet one body.” Is the success of a pastor, a Bible study, or a church program based solely on one person’s accomplishments? How many people contribute to the smooth operation of a church, a Christian organization, a family?
Coach Wooden’s rule and 1 Corinthians 12 are both rooted in the principle of seeing our need for one another. Let’s use our gifts within the body of Christ to build up, strengthen, and help to carry out God’s purposes (vv.1-11).
All Christians have been gifted
By grace from God above,
Equipped to build and strengthen
The church in faith and love. Fitzhugh
-------------------------
Nous rejetons les choses honteuses qui se font en secret, nous n'avons point une conduite astucieuse, et nous n'altérons point la parole de Dieu.
2 Corinthiens 4.2
Soyez lent à juger les autres, mais prompt à vous juger vous-même.
En dépit de tous mes efforts pour écrire clairement, il m'arrive par-fois de mal me faire comprendre. Je le regrette et je tente de m'améliorer. De temps à autre, par contre, des lecteurs sortent mes paroles de leur contexte ou me prêtent des propos qui n'ont rien à voir avec les miens. C'est contrariant de n'avoir aucun moyen de contrôler la manière dont les gens se servent des paroles une fois qu'elles sont publiées.
Cela me rappelle une offense beaucoup plus grave, celle de faire dire à Dieu des choses qu'il n'a pas dites. C'est ce que certains prophètes de l'époque de Jérémie ont fait. Ils ont prêté des propos à Dieu en prétendant qu'il avait dit des choses qu'ils voulaient croire être vraies mais que Dieu n'avait jamais dites. Le Seigneur a donc dit à son peuple : "N'écoutez pas les paroles des prophètes qui vous prophétisent ! [...] Ils disent les visions de leur coeur, et non ce qui vient de la bouche de l'Éternel" (Jé 23.16). Ensuite, il a prévenu le peuple qu'il oubliera ceux qui tordent ses paroles et qu'il les rejettera loin de sa face (v. 36,39).
Par contraste, l'apôtre Paul a pris soin de dire qu'il n'altérait pas la Parole de Dieu (2 Co 4.2). Il connaissait le danger de prêcher ses propres idées plutôt que celles de Dieu. Nous devons tous veiller à utiliser la Parole de Dieu aux fins de celui-ci, plutôt qu'à nos propres fins.